NY NAMANA TENA NAMANA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny namana tena namana,
Tia na ory ianao na manana.
Lavitra azy ny ady varotra ;
Olona mandala fihavanana,
Tsy manary amin’ny sarotra.

Ny namana tena namana,
Tsy izay itanao eny foana,
Fa ny tonga mankahery,
Amin’ny andro sy fotoana,
Ahatsapanao fa toa very.

Ny namana tena namana,
Tsongaina anatin’ny maro ;
Tsy tia mihatsaravelatsihy,
Fady azy ny mampifangaro,
Ny tokony ho eny na ny tsia.

Ny namana tena namana,
Tsy mieritreri-dratsy anao ;
Na isan’ny mandefona ivoho,
Amin’ny zava-drehetra atao,
Mahatonga tsy fiadanam-po.

Ny namana tena namana,
Miara-mikorana am-pifaliana,
Mifanohana am-pahoriana,
Mifampizara ny mahaliana,
Fifankatiavana no mikoriana.

Iza no namana tena namana ?
Tsy dia maro loatra izy ireny.
Ny ankamaroany ivelany ihany,
Manamboatra fihetsika sy fiteny ;
Fa anaty any mandavo an-tany.

Amin’ny namana tena namana,
Tsy ho adino ny akaiky indrindra,
Tsy iza fa ny vady andefimandry,
Miara-midola, miara-mamindra,
Miaraka tsy tafandry mandry.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Janoary 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
540 6
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015