NY RÀN'I JESOA KRISTY TOMPO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Jesoa Kristy, Zanaka tokan'ny Ray;
Ttnga teto an-tany hamonjy ny mpanota.
Nanetry tena, nidina nateraka indray,
an-tranon'omby, izay efa tena tonta.

I Jesoa Kristy, nanao fahagagana maro;
namonjena hatrany ireo tena sahirana.
Niaro, nampiseho, nampahatsiaro,
fitiavan-tsisy fetra feno tsiky sady mirana.

I Jesoa Kristy, tsy nandà hombohana,
tambony hazofijaliana na tsy meloka aza.
Fotoana manan-tantara, nanombohana,
famonjena ny tontolo, araka ny voalaza.

Jesoa Kristy, nandatsaka ny ràny,
hanavotana antsika an-tanim-pandalovana;
ho mpandova paradisa any an-danitra any,
na nisy aza ny tarazom-pahalovana.

I Jesoa Kristy, lalan-tokam-pamonjena;
manelanelana amin-dRay ambony any.
Raiso amim-po, amim-panetren-tena;
fa noho ny fitiavany, nalatsany ny rany.

Koa meteza hiova, hateraka indray;
ho isan’ny zanaka hanaraka ny Tompo,
tsy anio na ampitso, fa ho mandrakizay.
Mba tsy very ny ràny, ny rehetra hanompo.

Ny ran'i Jesoa, fanantenan'ny tsirairay;
ny ran'i Kristy, miaro amin-java-mahory;
ny ran'ny Tompo, fiainana mandrakizay;
ny ran'i Jesoa, aina mandresy sorisory.

Ny ran'i Jesoa, mamafa ny ratsy efa vita;
ny ran'i Kristy, mamonjy olom-boafidy;
ny ran'ny Tompo, mandresy fiainan-tsy hita;
ny ran'i Jesoa, rà soa, lafo, tena sarobidy.

RASAMINNDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Jona 2019
--------
Rohy:
1432 7
Hevitra mandeha
sarindraravaloson ( 18/06/2020 08:19)
Misaotra Jesoa Tompo ô !
s19andry5851 ( 25/03/2023 05:50)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
hery ( 04/08/2023 22:08)
Ity koa tsy mandeha ilay antsa. Jereo sao dia tsy nataonao public (anyone)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0896