NY RARINY SY NY HITSINY - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
NY RARINY SY NY HITSINY
Ny rariny sy ny hitsiny, izay dradradradraina,
Aleo mba ho resahina, aleo mba ho tantaraina ;
Amin'ny vaninandro manahirana ankehitriny,
Fa tsy odian-tsy hita, sao dia ananan-tsiny.
Ny rariny sy ny hitsiny, tsy azon'ny iray tanàna ;
Satria ny rariny fisaka, ka mety sarotra zahana.
Ny hitsiny koa manify, tsy atao tazan-davitra.
Ka ilaina ny fahamalinana, raha tiana aharitra.
Ny rariny sy ny hitsiny, mandamin-javatra maro,
Eo amin'ny fiaraha-monina tia mampifangaro,
Ny mainty sy ny fotsy, ny marina sy ny diso ;
Raha mandinika tsara ifotiny, tsy hisy hifandiso.
Ny rariny sy ny hitsiny, tokony hojerena foana ;
Itodiana ny lasa, ho tazanina koa ny manoloana.
Ahafahana mahita, izay ho atao sy ho ekena ;
Ary ampiharina ankitsim-po, am-panetrentena.
Ny rariny sy ny hitsiny, tsy tokony ho hadino,
Teny roa manan-danja, ho an'izay rehetra mino.
Lazaina ampahibemaso mba samy hahalala,
Na ireo mpifankatia, na ireo mpifankahala.
Ny rariny sy ny hitsiny, hoy ny ntaolo teo aloha,
Tokony ho soa toavina, kajiana sy ivakiana loha.
Mila fieritreretana lalina ny tena zava-misy ;
Mba ahitana ny marina, ny fankahalana tsy hisy.
Ny rariny sy ny hitsiny, raha hakapoka ho iray,
Tokony kajiana foana anio, ary koa mandrakizay.
Hisian'ny fifankatiavana, ary koa ny fifanampiana ;
Hahafahana miaina tsara, lavitry ny fifandrafiana.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Febroary 2021
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 10/02/2021
Mpamangy : 231
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
HOY IANAOMILA TONGA SAINA
MANINONA HOY AHO
EMBONA AN’I DADA
TSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY
ANDROM-PAHANTERANA
NY RAY SY NY RENY
HIHIRA AHO HO ANAO