RAHA MISY HONO - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
RAHA MISY HONO
Raha misy ny manontany,
Nahoana no mitomany ;
Ny tsara tokony ho fantany,
Ny fiainana eto an-tany,
Tsy misaraka amin'izany.
Raha misy ny tsy mety,
Ireo toerana efa voatety,
Saika hanaovana ny fety ;
Aleo mihitsy tsy arenty,
Hiandrasana ny metimety.
Raha misy mijery vilana,
Ny fiainana mitongilana ;
Ny atao efa manahirana,
Mbola be ny misompirana,
Tsara ny tsy mihorirana.
Raha misy ny manakora,
Ny zava-bita moramora ;
Satria tsy ampy ny akora,
Avelao eo ho fotsy rora,
Miandry ny varoboba mora.
Raha misy koa ny andro,
Tsy misy tana-masoandro ;
Mbola sarotra ny mitandro,
Sao ho raraka ny nahandro,
Izay vao tena lany andro.
Raha misy ny fanantenana,
Aleo manao ny tsy ialana ;
Mba ny tany toa Kanana,
No itoerana fa tsy ialana,
Ary atao izay ahatamana.
Raha misy ny mila kisa,
Amin'ny olona analin-kisa ;
Tsara ihany ny tsy mitanisa,
Mba tsy hisian'ny disadisa,
Ka ny tontolo ho paradisa.
Raha misy, iriana hisy foana,
Ny fitahiana mandava-taona ;
Mba ho voky fa tsy ho noana.
Hiadana hiandry ilay fotoana,
Hiavian'i Tompo eo anoloana.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
08 Aprily 2019
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 07/04/2019
Mpamangy : 626
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
EMBONA AN’I DADATSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY
ANDROM-PAHANTERANA
NY RAY SY NY RENY
HIHIRA AHO HO ANAO
NY FIAINANA FANETREN-TENA
NY FIAINANA ETO AN-TANY
NY ASA FAMPIANARANA