SOA LAVO HAHAY MAMINDRA! (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa lavo hahay mamindra;
Soa kenda hahay mitsako.
Soa korontana hahay mandrindra;
Soa mangina hahay manako.

Soa mahantra hahay mitsitsy ;
Soa manana hahay manampy.
Soa mototra hahay mitsiky;
Soa latsaka hahay miantsampy.

Soa dondrona hahay mianatra;
Soa miboredika hahay miteny.
Soa maditra hahay mananatra;
Soa mahery hahay malemy.

Soa lavo hahay mamindra;
Soa kenda hahay mitsako.
Soa korontana hahay mandrindra;
Soa mangina hahay manako.

Soa mahantra hahay mitsitsy ;
Soa manana hahay manampy.
Soa mototra hahay mitsiky;
Soa latsaka hahay miantsampy.

Soa dondrona hahay mianatra;
Soa miboredika hahay miteny.
Soa maditra hahay mananatra;
Soa mahery hahay malemy.

Soa dondrona hahay mianatra;
Soa miboredika hahay miteny.
Soa maditra hahay mananatra;
Soa mahery hahay malemy.

Lesom-piainana daholo izany;
Lesom-piainana manitsy anao.
Lesom-piainana lalàn’ny tany;
Lesom-piainana ka mba araho.

Lesom-piainana tsy fanadino;
Lesom-piainana manabe.
Lesom-piainana, aleo mba mino;
Lesom-piainana ka maneke.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
28 May 2017
--------
Rohy:
1647 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 08:51)
s19andry5851 ( 25/03/2023 07:08)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
hery ( 04/08/2023 22:03)
Tsy ilay antsa "Soa lavo hahay hamindra" no ato fa ilay raozy mena...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107