TANDREMO LAHY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tandremo lahy,
fa eo amin'ny fiainana,
be ny tanalahy,
ratsy foto-pisainana.

Tandremo fa matetika,
ny tena akaiky anao,
no mazàna mitetika,
ny hidarabohanao.

Tandremo fa misy mody,
miseho ho tena namana,
no tsy matahotody,
tsara kokoa tsy manana.

Tandremo fa amin'ireo,
nandaniana hery nobeazina,
no lasa tena mankaleo,
Izay lalovany lasa ngazana.

Tandremo, ny manodidina,
fa misy miandry kendritohina,
manao izay hampitsingidina ;
sy ny hampitondra voina.

Tandremo fa maro,
ireo tsara imolotra,
minia mampifangaro,
ny madio sy ny lomotra.

Ny fahendrena mila mailo,
anivon'ny tontolo misy anao.
Tazony ho tsiambaratelo,
ny vina, kinasa rehetra ho atao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
31 Oktobra 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
255 3
Hevitra mandeha
mioratantely31 ( 31/10/2024 13:01)
Raha tiana hahomby tehiriizo ho tsiambaratelo ny vina sy kinasanao. Misy ny amboadia mitafy odi-janakondry !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.088