TAPA-KEVITRA IZY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tapa-kevitra izy ny hisinda any ho any,
tsy ho eo anivon’ny akany.
Hiala sasatra mandritra ny fotoana maharitra,
tena dodona tsy aritra.

Tapa-kevitra izy hisidina an’habakabaka any,
lavitra ny tany.
Hanao tazan-davitra tsy ahita ny zava-misy,
ny nenina tsy hisy.

Tapa-kevitra izy tsy hisaina ny taloha,
nahavaky loha.
Hanadino tanteraka ny etraketrakin’ny tany,
nisy nampitomany.

Tapa-kevitra izy hanisy tsipika manasaraka,
elanelana malalaka ;
tsy hifangaroan’ny taloha sy ny ho avy,
sao mankanavy.

Tapa-kevitra izy fa ampikombona ny vavany,
ampiondrika ny tavany.
Dia hatraka indray ny maso hijery lavidavitra,
hibanjina maharitra.

Tapa-kevitra izy hiaina anaty filaminana,
efa leo ny misahirana.
Hieritreritra ny hahasoa ny tenany amin’izay,
maro be ny vita izay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Janoary 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
487 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373