VITAO HATRAMIN’NY FARANY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Be ny mora kivy am-piatrehana ny fiainana,
Anaty fitaintainana.
Ny zava-kinasa tsy tody hatramin’ny farany,
Maty ankaranany.

Avy eo niova nitady làlana hafa indray,
Tena niolomay.
Vao niroso lavidavitra, dia niato kely,
Nahatsiaro toa very.

Hany hery nijanona, nipetraka lasam-borona,
Ny loha efa nitorona.
Ny tarehy nivaloarika, feno hakiviana,
Tsy nisy nahaliana.

Nahazo hery kely, niezaka ny niarina,
Sao mba tafarina.
Nierikerika nijery ny tontolo manodidina,
Hay takon'ny rindrina.

Nijery làlana hafa indray mety mahasoa,
Tsy toy ny teo aloha.
Ny olana anefa tsy nanam-paharetana,
Tsy ampy angovo irehetana.

Ny nanodidina moa, be mpamendrofendro,
Nampandray an-tendro.
Tsy namporisika ny hioitra mba hitraka,
Fa toa nampivanaka.

Ny tsara ho tadidy, ninoninona atao,
Vitao izao dia izao.
Aza atao fanao ny mangataka andro lava,
Mivonona lalandava.

Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika,
Aza misy ailika.
Ny zavatra rehetra atao tsy ijerena sarany,
Vitao hatramin’ny farany !

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
03 Novambra 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana - Fiainana
525 4
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 05/11/2023 02:32)
Tsindrio ilay fo mainty io raha tianao ny tononkalo. Misaotra anao !

Appuyez sur ce coeur noir si vous appréciez le poème. Merci !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147