You are here: home > Vetso

Ahatsiarovako anao, - Antsa tononkalo.R

Azo vakiana?

Ahatsiarovako anao,
'lay masonao baliaka,mitsiky miran'andro
No sisa mba tavela,mitrotro ny fanahiko;
Mamelona ny tsiahiko...

Ilay feonao manako!,nanao veloma farany...
No raikitra antadidiko,nanaitra indray ny foko;
Namoha ny varavarany.
Dia njary sarobidiko :

Ny andro, ora mira,
Fahiny tahak'izao !
Dia mbola hirahira
Mamihina ny saiko,
Mampody indray ny aiko
Fa...ahatsiarovako anao.

Antsa Tononkalo.R 14/07/16

Hametraka hevitra

Midira aloha