Mievina irery (Antsa tononkalo.R)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mievina irery amin'ny ali-manginaEmbona kely mba sendra nandalo
Tsy misy mamaly,fa lavitra tiana
Tsy nisy manoina, indrisy mimalo
Tsarona ny lasa ka dia malahelo
Hatramin'ny rora nanjary mangidy
Ô! Kalon-jorery ka mamelovalo
Ny sento mipongatra injao mitadidy
Fa lasa ny tiana ka mamerovero
Kanefa tsy tana fa lasana ihany
inty re ry volana mba ampanatero
itony veloma, velomako izany
Veloma hoy ny foko, veloma hono hoe:
Veloma masiana tratraran'ny ela
Ny nofoko hono ny tenako anie
Indrisy mahatsiaro ka tsy afaka vela!
Mievina irery amin'ny ali-mangina
Kanefa mba zovy ny hoe nahatsiaro
Tsy nisy, tsy misy... Fa lasa ny tiana
Raha nisy dia sery sy embona no nifangaro.
Antsa tononkalo.R 05/05/19
--------
Rohy:
Sokajy :
embona - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Antsa tononkalo.RNampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 08/01/2019 18:47