"Veloma hoy ny foko" (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Veloma hoy ny foko"

I
Ny lokon'ny lanitra...Velory manga
ny fanatenana, manga tanora
Kinanjo dia hiofo, vasoka, vanga...
Ry fanatenako milofika mora !

Ny tempon'ny foko mihaiva dia iva,
ny feony reko? ambany dia ambany
ny orany sisa no... He! manadiva
Maila-pitsaika, ho vonon-ko, tany !

II
Mihalany mihalany, ny jiron'ny aiko
Mitsonika mora, ny androko lany
Mihavosa mihavosa, madisa e! ny saiko?
Ah! Tsy inona akory, fa vovoka ihany !

Marefo marefo, ny sela amin'ny rako,
ny ratran'ny foko, misonga misonga
Eh! Vovok'izatsy, no ndeha hiafarako?
Vovoka monja dia tany sy bonga !

III
"Veloma hoy ny foko": ny feony reko
Tsaroaka sahady fa mamy ny mody
lahatra anefa, dia indro ekeko,
Ry fahafatesana... Aza manody !

Ny lokon'ny lanitro? -Velory manga...
Satriko hijanona mandava taona,
oh! indrisy fa niofo dia vasoka,vanga
Hisalotra voalin'ny mainty fisaona !


Antsa tononkalo.R 25/03/2018 23h:46 nosoratana tamin'ny mamantonalina,
fony saiky... in*Hianao no mahalala
--------
Rohy:
1753 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114