Tara - Antso32
Azo vakiana?
Indrisy tara loatra
Tara loatra vao nahasahy
Indrisy tara loatra
Tara loatra ianao ry lahy
Fony izy mbola tokana
Dia nolanianao nibanjinana ny hakantony ny fotoananao
Ka tsy tao an-tsainao mihitsy ny niteny hoe "tiako ianao"
Noheverinao mantsy fa ho eo foana izy
Kinanjo tsy izany no izy
Izao izy efa lasa
Eny an-tratran'olon-kafa
Sambatra sy faly
Fa ianao kosa aty
Manenina sy may
Miteny hoe "tahak'izay"
Hevitra mandeha
Lah'fahtra (25/09/2017 20:06:01)
Mombamomba
Mpanoratra : Antso32

Nampiditra : Lah'fahtra
Daty : 25/09/2017
Mpamangy : 948
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ny omaly? ny ampitso?tiako ianao kanefa