ADALAM-PITIAVANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adalam-pitiavana hono ny fony
tsy azo nanarina koa zato sainy
Tsy mety nangiana tsy mety nitony
Fa io no malalany sady lalainy

tsy laitra akisoka moa rehefa tia
fa afo mandoro io mirehitra anaty
tapohanao rano vao miha mankafy
mitsilopilopy kanefa tsy maty

aleony hono tsisy toy izay tsy mitia
fa iny lay tokany sady tsy foiny
fa efa nivoady izy ireo hiara-dia
ka na dia mafaitra tsy maintsy sotroiny

ny adalam-pitiavana maha-jambena
ny fo no mandidy ny saina ho giana
f'izay vokany any tsy maintsy ho babena
na ratsy io na tsara, zakainy any aoriana

AORN
03 MEY 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
483 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 06/08/2025 14:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.015