FOMBAFOMBA SISA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gaga tam'ise (aho)raha sendra nahare
lay resaka nandeha
hoe raha ny momba ahy
dia fombafomba sisa
fitia marisarisa
dia mahavaky fo
ny momba antsika roa
hoe ...hitsahatra tokoa
fa... any an-kafa indray
ho handrenesam-peo
zay zavatra miseho?
Torovana ny saina
mangotsoka ny aina
satria dia very maina
ianao lay tsy mitsotra
manafina eny foana
mandavana ny taona
tsarovy anefa...
Raha toa ianao tsy tia
dia tsy ahitana fy
ny fo tsy mifangia...
ka iangaviako monja
mandehana! ...tsy sakanana
malalaka ny lalana
AORN
14 MARTSA 2019
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana
Mpakafy:
rina15
