AIZA IANAO GASIKARAKO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aiza ianao Gasikarako iny
toa tsy hita amy mari-drefy
sa de hafa ny ankehitriny
raha taloha tsy nanaiky ho resy

Aiza ianao Gasikarako iny
nipoitra kely dia avy eo nilentika
nosarangotin’ireo vahiny
Fatsoralahy sady be fitetika

Aiza ianao Gasikarako iny
Ny olona ao toa mandadilady
Hafa moa lay ianao fahiny
Sahy mijoro sy miatrik’ady

Aiza ianao Gasikarako iny
Mandohalika tsy mitraka
Reo mpitondra manao zay tiany
Ny vazaha no mahazo laka

Aiza ianao Gasikarako iny
Milokaloka amy fandrosoana
Hay tontosa lay faniriany
Mitombo isa ry be galoana

Aiza ianao Gasikarako iny
Ny mahantra no maro an’isa
Fefika ao ry tsy manan-tsiny
Ny ao an-tampony mody gisa

Aiza ianao gasikarako iny
Aiza ho aiza ‘reo olo-marina
Sa dia hafa ny ankehitriny
Ka ny saina no mila amboarina

AORN
15 SEPTAMBRA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
22 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 17/09/2024 07:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0803