AMPAHAFANTARO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampahafantaro anay
Ny tena lala-marina
Fa mbetika izahay
Jambena fanimpanina

Ampahafantaro anay
Ny tena famonjena
Fa misy fampianarana
Mamandrika ny tena

Ampahafantaro anay
Fahaizana mitia
Ho tena mpianatrao
Hanaraka ny dia

Ampahafantaro anay
Ny fiononan-tena
Hahaizanay mizara
Reo osa mahonena

Ampahafantaro anay
Ny fandaharanao
Hahaizanay mihonona
Zay ho avy dieny izao

AORN
18 JOLAY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : VAVAKA
78 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 21/08/2024 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761