ANATRANATRA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitiava rehefa tia
Dia meteza ho mpankafy

Misambàra ny fiainana
Pero koa ny fitarainana

Misainà mba ho mpandresy
Fa fadio ny miotra fefy

Mitsangàna mba ho sahy
Asehoy fa lehilahy

Mahasahia dia mandrosoa
Fa hisitraka ny soa

Mifalia raha tojo izany
Fa mandalo ny eto an-tany

Mandiniha ka mikaroha
Fa aza ho entina amy fo

Mianara aza malaina
Rehefa Mbola velon’aina

AORN
30 DESAMBRA 2001
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
92 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 28/03/2024 05:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148