ASA MAMPAHITA ANGANO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza moa ireo hitanao mijorojoro an-tsisin-dalana ?
Tovovavy maromaro mampidera ny fananana
tsara haingo sy fitafy sady tena manimanitra
mba hanintona mpandalo izay te hanakatra ny lanitra

Raha ny bika no jerena, dia mijadona sy raitra
Ao ny mailaka fandeha, ao ny maka toa tsy taitra
Raha jerena tomba-maso, dia tovovavy erotrerony
Nefa misy vitsy ihany, ireo zokinjokiny amin'ny heriny

Indro misy fiara maro indray mijanona anoloana
dia mitily ireto "ranty", manao fijery mamba noana
ka ny sasany mivoaka ny fiara dia manantona
'Lay nahazoazo taona, miantso mora sy mifantina

Samy makamaka zorony, fa handraikitra ny varotra
ao ny avy dia manaiky, misy koa manano sarotra
ireo zay mifanara-tsaina, dia mizotra ndeha hiala
ireo zay tsy nahazo tsena, mbola miandry lalantsara

Fa ny tena mahatsikaiky rehefa sendra izay mpamitaka
Itambaran'izy ireo, ka savolaina vao misintaka
Misy tsy mandoa ny vola, misy koa reo sahisahy
ka mampidina ny sarany, nefa hoe mba lehilahy

Raha dinihina amy saina, olombelona izy ireny
Nanana ny faniriany, na dia fanaka malemy
Mety ho nanam-pikasana, hioitra hiatrika adidy
Saingy tsy afaka nanoatra, noho ny anjara tsy finidy

Fa na inona tsikera, mety hahazo sesehena
Ho an'ireo mpijirik'alina, nifidy ny ho "mpivarotena"
Samy miasa te hahazo, fa mila vola an-tokantrano
Ka iafiny na marary, 'ty "asa mampahita angano"

AORN
31 MARS 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
74 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0348