ATY ALAVITRA AHO (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aty alavitra aho
No mahatsiaro anao
Ry nosy tena mamiko
Ry lova tsy nindramiko…
Dia lasalasa saina
Toa tsy mahazo aina
Satria tsy toy izao
Lay nahalalana anao
F’ianao lay nosy miavaka
Toa kanto sy miravak’
ireo maintso sy reo voahangy
‘Reo biby tia misangy
Reo rano mikoriana
Zay soa sy mahasondriana
Kanefa ankehitriny….
Bodoin’ireo vahiny
Ka eo am-pelatanany
Reo toniny sy vaniny…
Dia indro ianao voageja
Mijaly manjoretra

Aty alavitra aho
No mitomany anao
Ry fireneko tiako
Ry tany izay niaviako
Fa mafy koa raha mafy
Reo zanaka aman-jafy
Tsy misy iray mitsangana
Mahita anao toa mangana
Fa sarisarin’ady
Tsy misy mba mitady
Zay tena vahaolana
Hamaha ireo fatorana
Ka zary maty momoka
Ny tolona natomboka
Niarovana anao
An-taona maro izao
Kanefa dia indrisy
Fa vitsy koa raha hisy
Zay tena sahy mijoro
Tsy hamela anao hikoro

Aty alavitra aho
Mivavaka ho anao
Ry madagasikara
Ry tany soa sy tsara
Satria ny Ray mpahary
Nampisy ireo voary
nampiavaka amy maro
Ka maha saro-piaro
No angatahako eto
Hanala ireto sento
Hampisy aina indray
Ka tena hampiray
Reo samy Malagasy
mba hampitovy lasy...
Ho tena tia anao
Lay Nosy mihavao
Ka mba ho gasikara
Tsy gisitra any afara
Fa nosy tena meva
Hijoro sy hateza

AORN
24 JONA 2022
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
302 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127