AVIA RY JESOA MANOLOANA! (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ravoravo ny fanahiko
velom-bolo ny tontoloko
rehefa Ianao no ato anatiko
Ray malala sady tokiko
Ka ny adin-tsaiko lalina
Miampy ny ahiahim-poko
tsy mampandry ahy andro sy alina
noho ny sento sy toloko
rehefa Ianao mandray an-tanana
iza moa no mahasakana?
Rehefa ianao mialoha ny lalana
sesehena ny hasoavana
Ka dia satriko eto foana
Na mandavana ny taona
Avia ry Jesoa manoloana!

AORN
27 AOGOSITRA 2021
--------
Rohy:
Sokajy : VAVAKA
157 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 13/08/2025 04:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127