AZON'ODY (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feno tsiky indray ny fony raha nahita ilay malalany
efa tsy hitany hatry ny ela
Ka nandalo mba nitsidika fa nanembona ny lasany
Sy ny tsiaro izay tavela
Dia toa nientana tsy nahy nampipongatra indray
'lay fitia zay tsy nandrasany
Fa lay tiany mantsy hono, mbola tena tia anazy
na nandratra zato lasany...
D'io fa tonga tsy nantsoiny tovolahy vao erotrerony,
nijoro teo ambaravarany
Io lay silaky ny ainy, voan'ilay fanainga lavitry
ny tovovavy namany
Nampitondra ny mangidy an-taona maro nifanesy
nampijaly ilay tsy foiny
ka tsy nampatsiaro saina, sy namery ireo tadidy,
nampitodika ny lohany...
Nefa anie ka sasaniandry sady tsy tafandry mandry
'lay malala izay navelany
Saingy voafefin'ody ilay hany tokana aman-taniny,
ka saika haningotra ny tenany
Fa r'efa ela koa ny ela, dia niverina ny sainy nitampody ny tsiaro
Fa tsaroany tao andohany lay efa silaky ny fony
zay niavaka amin'ny maro
Tapa-kevitra izy avy eo fa hiverina sy hitady
'lay notiaviny voalohany
Ka nitsoaka lay tanĂ na niazona azy tsy hahita
lay fitia zay niatombohany
Soa ihany fa tadidiny lay akany soa nonenany '
lay akanin'ny malalany
Dia nifankahita indray tamin'ny andro tsy nampoizina
'lay hiara-dalana aminy...
Niara-paly indray ny fony fa tsy hisaraka intsony...

AORN
13 JAN 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
312 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 13/01/2024 13:23
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0629