BAIKO AVY AO AN-DAPA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarintsarina fomba fiasa teo amin'ny Filoha nizaka ny zom-pirenena FrantsayAmpiasao ny kaonty fako
Mamorona lahatsoratra
Dia lazao an-karihary
Fa efa miasa Ambohitsirohitra
Ho anareo zay Depiote
Nahazo volabe sy fiara
Mila mihetsika avokoa
F’efa ratsy ny tantara
Ambarao an-tserasera
Fa “tsara saina ny Filoha”
“Fa reo manodidina azy
No efa ratsiratsy loha”
Ianareo izay mpanakanto
Lay nanohana ahy rehetra
Mitenena ka lazao
hoe “ny Filoha dia tsara toetra”
Ho anareo Zay Jeneraly
Nampiakariko grady
Mivondrona dieny izao
Mba hikaroka paik’ady
Avondrony ireo Zandary
Mba hisakana ny lalana
Dia miantso "gros bras"
Mba hanery sy hibahana
Ireo milisy tsara hofana
Mila miatrana amizay
Reo zay mafimafy fihetsika
Dia ataovy mahamay
Ianareo zay Senatera
Sy ny Manam-pahefana
Ndeha mba miakatra Tele
dia manao fanambarana
Mila mihetsika daholo
Fa tsy misy mihanahana
Fa efa mampivaky loha
Ny zava-misy eto an-tanana
Dia tandremo sao mamadika
Na koa sanatria mitsoaka
Fa ho ataoko haza lambo
Ka tsy misy tafavoaka
‘zay no baiko aty an-dapa
ka tsy maintsy tanterahana
Ka samia Mamita ny asa
fa tsy hiraviravy tanana
AORN
11 SEPTAMBRA 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
FITIAVAN-TSEZA
