DADA ! (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada o
Satrinay ianao hijoro ho tena loham-piankohonana
Ka mandrafitra ny trano ho andry mafy sy vovonana
Saingy noho ny sotasota sy ny gejan’adim-piainana
Dia tsy sahy mitraka akory ka nahalasa ity fisainana

Fa nankaiza irony kiry nampalaza anao taloha
Tsy manaiky ny ho lembenana raha tsy maty paika an-doha
Manan-kevitra hatrany ho fanasoavana ny akany
Tsy nikoso-maso mihitsy manoloana ireo vinany

Fa tadidiko ihany koa raha manombana ho lany
Ireo tahiry tao an-trano, fanokonana am-bilany
fa I Neny moa mpitsitsy sady tsy mba tia mandany
Saingy ianao no tsy manaiky fa mahita hatrany hatrany

Rehefa tonga ny hariva, dia voriana ny ankohonana
Ka mipetraka miodidina hihaino teny tsy soronana
Dia voaadina avokoa hatramy kely sy lehibe
Hoe inona no vitanao? Inona no tsy nandeha?

Rehefa vita tafatafa, vita koa ny tanin’afo
Indro I Neny miomankomana hampandroso ny sakafo
dia I Dada no mandrindra sy mitarika ny vavaka
Ho fisaorana ny Ray reo zava-bita tsy an-kanavaka

Ankehitriny kosa anefa, I Neny moa dia efa lasana
Tsy mimpody an-tany intsony fa efa tsara mandry am-pasana
Dia I Dada irery sisa, no mijoro ho ray sy reny
Ka sahaniny avokoa, reo adidy ombieny ombieny

Azonay ankehitriny, fa matoa ianao milofika
Sanatria tsy miala andraikitra, ka mamela anay ho potika
Be ny efa vitanao, o ry dada maminay
fa zahay no mila miarina, ka mandimby anaran-dray

Ka na osa sy torovana, ho tahiana foana ianao
Dada foana tsy andrimbinana, dadanay hatramizao
Ho fianarana miampita, ny hafatrao zay feno anatra
Ka isaoranay am-po, lay Dada tsotra sy fitaratra

AORN
16 JONA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
250 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 16/06/2024 06:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195