DOL'AJ tena namana (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho fahatsiarovana an'i Dol'Aj, izay niaraha-niasa vao tsy elaNanavatsava lalina
T’amparahatoka any
Ireo asa soratrao
Miventy zava-maro…
Miantsa sy mianoka
ity fiainana mandalo
Ka na ny fasana aza
Lazaina fahavalo, dia
Tsy afaky ny hisitraka
Lay kantonao voakalo
Ny vatanao no lasa
Ekena tsy azo lavina
Atao ahoana moa
F’Izay no fandaharana
Tsy azonay sakanana
Fa ny asa peninao
Ho antsaina sy ho tafain’
Ireto izay nilaozanao
Ny ekipan’ny Havatsa,
Ny Poeta samy hafa
Sy ireo nahita mamy
Taminao tety an-tany…
Dia handry am-piadanana
Dol’Aj “tena namana”
AORN
17 SEPTAMBRA 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
MAZ RAMANA
Hevitra mandeha
MAZ RAMANA
(
20/09/2025 11:52)
RIP Dol'Aj, Miara ory!
TononkaloNM
(
23/10/2025 16:05)
Mahereza tompoko! Misy rohy ahitana ny soratanany ve azafady.
