ENIM-BOLANA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Enim-bolana am'zao no nahaterahanao ry aiko
Tebiteby, taintaina no nanemitra ny saiko
Zato reninao koa, nanano sarotra aok’izany
Fa tsy mora ny namoaka ilay hany tokany aman-tany

Fa tsaroako tam’zay, raha nisasaka ny volana
Sady manantsasa-taona no nipetraka ny olana
Tsy iandrasana herinandro fa tsy maintsy atao anio
Teo vao nihodina ny saiko, nirimorimo toa tadio

Vao maraina dia tsy maintsy, nampidirina efitrano
I Neny sy ny adin-tsainy, fa hateraka ny rano
Indreo fa nihaodihaody teo, mpampiteraka amam-polony
Toa somebiseby ihany fa hanatrika ny tolony

Dia nanomboka ny ady, niakatra ny maripana
Nitolomana i Neny fa nanomboka tsy tana
Sarotsarotra ny sedra, nefa toa mandeha ny ora
Ka tsy maintsy nila vonjy niantso an’I Profesora

Tamy zay dia tena tsapa, fa valalanina i neny
Toa nivalo-mainty ny endriny sady saraka aman-teny
Soa fa nisy olon-kafa nitrotro sy nitondra am-bavaka
Nahavita nitalaho tamy Tompo tsy manavaka

Ora vitsivitsy avy eo, dia niverina ny ainy
Tsy tsaroany izay niseho, fa fanimpanina ny sainy
Indro tazany avy lavitra, ilay menavava fa atsongoloka
Nila fameloman’aina, ka felahana sy afolaka

Dia injay nikiakiaka, sady rafitra tomany
Ilay mpantsaka kelinay, zay nisantatra ny tany
Hafaliana sesehena, fa velon’aina soa amantsara
Satria ny Tompo no nambomba ka namaritra ny anjara

AORN
15 DESAMBRA 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
114 0
Hevitra mandeha
rina15 ( 01/04/2024 04:02)
Isaorana foana foana Ikalamako e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 02/02/2024 18:32
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153