FA HAY NY ETO AN-TANY... (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manako avy lavitra siokan-domoina tsy misy manohina
Lay feo niantsoantso taraina mikaika tsy nisy niraika
Lay hiaka nalefa niampita any ho any tsy nisy namaly
Fa olona sendra mijejy hafaliana ka revo sondriana

Tsiriry zay sendra ny rivo-mahery ka toa manirery
Malemy toa saraka reny nitaiza ka tsy afa-mankaiza
Dia rovitra lamba tsy misy tafiana toa saraka tiana
Ny hatsiaka mangoly sy ny oram-panala mamely tsy miala

Fa fo efa resin’ny ankaso sy fila voatsindrona an’ila
dia valaky ny eso sy teny mandratra no voalatsalatsa
Miforitra an’aty mikainkona ihany ka latsaka ambany
Tsy aiza tsy akory fa hay ny eto an-tany tsy ilazan-tomany

AORN
05 SEPTAMBRA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
36 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 17/12/2024 14:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167