FA TAIZA NAREO NO TSY HITA HATRIZAY? (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay
No tampoka teo tonga aty aminay
mitety tanàna mizara koveta
dia mampitangorina ny olon-drehetra

Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay
No toa mitakosona, tia mifandray
Fa an-taona maro dia tena variana
ka dia nanadino lay tany niaviana

Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay
Manao be fiavy, milaza ho mahay
Zay mampikaikaika ‘reo tambanivolo
K’hitondra vahaolana iray manontolo

Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay
No efa hirotsaka vao miolomay
Mambabo ny fon’ny vahoaka hifidy
Hiala amy lay fahantrana mangidy

Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay
No avy masiaka manao antsonjay
Manery ny mpiasa sy ireo fokontany
Ka ireo zay hatolotra tsy maintsy ho lany

Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay
Ny olona efa manomboka fay
Satria dimy taona tsy nisy napoaka
Dia hampandry adrisa fa ho tafavoaka

Fa taiza nareo no tsy hita hatrizay
No mambabo vola ny tanànanay
Vahoaka efa tofoky ny fahantrana
Ka ndrao very vola sy fanantenana

AORN
28 APRILY 2024
--------
Lien:
Catégorie : POLITIKA
76 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161