FAHAZAZANA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mijery ireto ankizy
Anaty fifaliana
Toa lavitry ny jaly
Dia satry koa hiverina
Hiaina ny taloha
Hitsiky sy hifaly

Jerena ireto izy
Misangy tsy amin’ahy
Manao izany am-po
Dia tsiaro no miverina
Lay nilalao fahiny
Niraisana avokoa

D’indreo fa mifanosika
Dia miaraka mianjera
Avy eo mifampitantana
Fa fony Mbola ankizy
Hatrany an-tanimbary
No miosina ny vantana

Fa Mbola hafa ihany
Izany fahazazana
Toa lavi-pahoriana
Raha Mbola ao anatiny
Dia hararaoty hatrany
Ataovy am-pifaliana

AORN
02 SEPTAMBRA 2002
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
528 2
Mpakafy: rina15 - Hobinakely
Hevitra mandeha
rina15 ( 21/01/2025 06:54)
Mankasitraka bevata Ikalamako!
ikalamako ( 24/01/2025 23:07)
Antsika aby zay, namako o !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 17/03/2024 06:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0195