FANAVAHANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malaza tamy zany, tao Afrika atsimo
Ny mainty dia voaavaky ny fotsy tompon-tany
Ka n’aiza n’aiza aleha, dia tena tsy mampino
Ny hafa volon-koditra tsy maintsy ambany hatrany

Fa amy zao fotoana, raha ny eto no ambara
D’ireo vahiny tonga, matanjaka ara-bola
Manavaka ny gasy, manao zay hampizara
K’ireo mpitondra mihitsy, no iarahany midola

Dia hany ka voazara, hatramy kolontsaina
Ny fihavanana avy, odiana tsy jerena
K’ Izay tsy manam-bola avela ho rerak’aina
F’reo sahirankirana, hitsahina sy hosena

AORN
22 DESAMBRA 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
87 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 21/03/2024 06:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147