FANDROSOANA NOFINOFY (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola handroso ve isikaRaha mitombo tsy an-kijanona
Ny elanelan-kadin’ny
mahantra sy ny manana?
Fa ny ankamaroan’ny olona
Dia miady sy mitolona
Misondrotr’ isan’andro
ny sakafo atao fahandro
Ny kapoakam-bary indray
Miaka-bidy mahamay
Indray mahandro ny maraina,
d’efa mionona ny saina
Mbola handroso ve isika
Raha tsy miafina intsony
Reo jiolahy miray an-tendro
amin’ny olona ambony?
Fa iniana korontanina
Sy avela ho fanimpanina
Ny sain’ireo vahoaka
zay matahotra hitroatra
Na an-tsaha na an-tanàna
Dia atao zay tsy hahatamàna
Ahazoana maka tany
misy harena tsy hita lany
Mbola handroso ve isika
Raha aseho miharihary
Fa tsy ho an’ny mpanambola
‘zany miditra hopitaly?
Ka raha mila vonjy aina
Tsisy ininona antenaina
Amy reto zay voalaza
fa mpitsabo fanta-daza
Fa ny vola no miteny
Raha tsy misy dia manjeny
Ka ny aza voany ihany
fa tsy misy mpanontany
AORN
07 MARTSA 2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina
Mpakafy:
rina15