FANTATRO RY NENY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny,

fantatro ihany aloha, na dia afeninao
fa tsy mba moramora ny asa tokantrano
Iafianao tsy an-kiteny 'reo raho-mitatao
satria tsy satrinao ny hampitondra angano

Fantatro ihany koa, reo olana sy ankaso
mandreraka ny tena, manonjona ny vatana
Odianao tsy jerena, fa ikipianao maso
Satria tsy satrinao ny hanisy sakatsakana

fantatro mihitsy, raha miaka-peo i dada
Ianao mitsinjo hatrany, imasonay ankizy
hoe "ny adin'ny mpivady", aleo tsy aseho ny zaza
mampisy ratram-po ka mety mahakivy

Fantatro ny tolona, sy ny ady atrehinao
mba tsy hamela anay, ho reraka sy noana
Tsy sasatra ianao, manovo aina vao
mamorona ny mety sy miatrika eny foana

Fantatro ny fetra izay mety ho zakanao
Satria ianao ilay reny nizaka mafy indrindra
Ka rariny sy hitsiny ireto zanakao
Raha Hanolotra fisaorana sy vavaka mirindra:

Tompo o tahio ty reninay ity
ombao ny fahasoavana sy hery tsy hita lany
dia aza avelanao hiaritra doria
F'omeo ny fahasambarana dieny ety an-tany

AORN
05 MAI 2025
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
81 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0165