FANTATRY NY RAY (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Talanjona ny saikoMandinika misesy
Ireto zava-boahary
Fa raha ny hita maso
dia mampitolagaga
Ny asanao Mpahary
Fa mainka moa ny tsy hita
tsy takatry ny jery
Ny akaiky sy ny lavitra
Dia misy tena misy
Ny anton'ny fisiany
FA saingy tsy hita faritra
Raha mbola izao tontolo
no andramana refesina
tsy ho takatry ny saina
Ny eo am-pelatanana
zay azonao tsapaina
Toa mampisavolaina
Ny hany lalan-tokana
Sitrahana maharitra
Ny voary izay nomena
Fa fantatry ny Ray
Ny mety ho mari-drefy
Sy mahasoa ny tena
AORN
12 FEVRIER 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Mpakafy:
rina15