FISARAHANA AN-TANY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ory ny fo raha mandao havan-tiana
An-taonany maro niaraha-nidolàna
Sarotra loatra raha toa fahoriana
No hametra sy hanapaka fanantenàna

Tsy zatra ilaozana mantsy ny saina
Fa satry eo mandàvana ny olona akaiky
Raha vao fisarahana miantra aman’aina
Kapoaka sotroina io... tsy maintsy manaiky

Mangoly fanahy rehefa saraka an-tany
Voalahatra manko raha ny olona ety
Ny fahatsiarovana mampitomany
Tsy maintsy mifarana hatreo zany dia

Tsy anjely fa Mbola olombelona ihany
Ka nofo sy rà dia tsy maintsy mitroatra
Kanefa raha mino, tsy hiondrika hatrany
Fa misy lay toerana soa any ankoatra

AORN
05 FEBROARY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
75 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 30/04/2024 13:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151