FISEDRANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tononkalo ity dia natao ho an'ilay namana namoy ny zanany vavy herintaona sy tapany, ny 13 aout 2024

Nandalo sy niserana
Tanaty taona vitsy
ianao ry sombinaiko
fa mafy koa raha mafy
raha felana mitsiry
no esorina ato an-tsaiko

Tsy ahy anefa ny andro
ka azoko baikoana
hahita anao hatrany
fa an'ilay Nahary
zay manana ny antony
sy lahatra eto an-tany

Mangidy raha mangidy
raha zanaka no lasa
mialoha anay mivady
Lay mba natao handevina
no indro fa nilofika
toa lasana sahady

Fa ny hany mampitsahatra
toloko sy alahelo
mandrotika fanahy
dia misy Ray mpandahatra
mahafantatra ny mety
ka tsisy mampanahy

Fa Ando sy Fanasina
Miora soa miavaka
Ho anay tokoa ianao
Lay Tompo be fitiavana
no miantso anao hitoetra
an-dapa vaovao

fa Izy lay Mpahary
lay hany mpanome
no tompon-teny farany
Inoanay tokoa
fa efa vita voatra
Ny toerana isantarany

AORN
14 AOUT 2024
--------
Rohy:
Sokajy : FINOANA
111 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 14/08/2024 06:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4963