FITIA TSY HITA FARITRA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny masonao nitopy
Nandravaka ny androko
nanala ny toloko
tadidiko ato an-tsaina
voasikotra ato anaty
nandrehitra ny foko...

fa toy ny vara-datsaka
Nanavatsava lalina
Namonto ny fanahiko...
Fa zany ilay fitia
Fitia toa hafahafa
Fa tsy mijery akory
Zay hevitra sy antony,
Tsy mahalala intsony
zay ratsiny sy hakanton'
ilay handraisako azy

Fitia tsy hita faritra
Fitia tsy hay fefena
Fitia iriana haharitra
kanefa maha-jambena
Fitia toa sahisahy
Manova ny fijerin'
ireo manam-panahy...

Fa misy ireo miniana
tsy hisitraka an'izany
Kinanjo ...tsy nampoizina
dia io fa mitomany
Rehefa tratrany eo
Mandraingiraingy fanina
Tsy mahaloam-peo
Fa na sarangan'inona
tsy asiany varany avy
vao mainka koa manavy...

fa io fitiavana io
Tsy maha-olom-banona
Fa rehefa azony ao
Badenina sy fanina
ka dia lazaiko anao...
De izany rehefa tia
F'izany lay fitia
Fitia tsy hita faritra
Kanefa... mahafinaritra

AORN
06 JANOARY 2022
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Fitiavana
541 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125