FITIAVAN-DRENY (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy reny sahy miafymampandefitra ny zony
fa manandratra ho ambony
zato ho avin'ny taranany
Misy reny sahy mijoro
mampangiana ny ambom-pony
ka miezaka ho tony
ho tombotson'ireto zanany
Misy reny sahy milofo
sy manolotra ny ainy
sahy mandemy ny ao an-tsainy
Ho fitsinjovana ny farany
Misy reny tsy miteny
na esoina sy latsaina
tsy mba hita mitaraina
Be fitiavana amy fony
AORN
22 JONA 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
rina15
