FO MAMPIRAFY (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mampirafy ve ny foko
Raha nitia anao mangina
Ka nitepo an-tsokosoko
Sy nandray anao ho tiana?

Fa 'lay namanao akaiky
Tsy nandrian’ny foko tia
No lasa vady nifanaiky
Hiaraka amiko ho doria

Fa 'ty foko adaladala
Nofefeko tsy hivoaka
Nefa toa tsy te hahalala
Fa vao mainka te-hitroatra

Notreromiko ny saiko
Tsy hisaina anao intsony
Naika hihatra hatramin’ny aiko
Izy gina toa nikomy

Notezerako ihany koa
Ny momba ahy rehetra rehetra
Kanjo saika hamoy fo
Fa tena misimisy toetra

Fa avela handeha ny taona...
Izy angamba no antenaiko
Hampitsahatra, hanafoana
Sy hanasitrana ny saiko


AORN
02 JOLAY 2006
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
825 1
Fans: rina15
Commentaires
rina15 ( 11/06/2025 06:16)
Tena talentanao koa ilay miantsa ry Ikalamako a !! mankasitraka be
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012