GASY LEFAKA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao hitango
Fa zah tsy ho sarotiny
Raha misy izay tavela
Aleo lay potipotiny…
Fa zinona zay vato
Sy hazo sarobidy?
Tsy avela ho raofiny any
Dia Aleo izy hisafidy

Avelao hanodrana
Fa tsy hamakiako loha
Ny fatotra sy fondrana
Tsy mankarary fo
Fa na ny tany itsahina
Aleo ho lasany any
Raha Mbola misy irahina
Dia Mbola omeko ihany

Avelao hangalatra
Sy hibodo sisin-tany
Fa ireo angaha ho tapitra
Rahoviana vao ho lany?
Tsy tena misy hidirako
Izay efa lasany any
Ny androany no hifikirako
Ampitso ho hita eo ihany

Ny hitako androany
No tena imasoako
Avela hitomany
Reo ‘zay mitady hihoko
Hiady sy hitolona
Ho an’ny tanindrazana
Aleoko babo eto ihany
Fatorana sy giazana

AORN 31 OCT 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
200 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 01/11/2023 11:26
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174