HAFA IHANY (AORN)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro be ny tsara
Kanefa hafa ihany
Ianao zay azo ambara
Fa tokana aman-tany

Maro be ny meva
Mikasa hahazo toerana
Fa hafa ianao mateza
Na dia tsy fanaperana

Maro be ny raitra
Mirenty sy miloko
Fa tsy mahataitra
Mampiodina ny foko

Fa tiako foana foana
Ianao sy ny tontolony
Tsy fantatro hoe nahoana
Fa raisiko amam-bolony

AORN
23 AOGOSITRA 2010
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
109 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 01/04/2024 03:58)
Mankasitraka be Hery!!!
hery ( 01/04/2024 10:48)
Mankasitraka amin'ny talentanareo koa e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 27/03/2024 08:16
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149