HAFAHAFA TOETRA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao fa mitomany
Mifokofoko irery
Lay zaza an-tsisin-dalana
Kamboty velon-dray
Tsy manan-kianteherana
Tsy manam-pahafahana

Fa etsy an-kilany etsy
Lay zandry menavava
Tafiana lamba rovitra
Tezain-drazoky vavy
Torevaka sy noana
Mijaly sy mangovitra

Dia iny lay mpivavaka
Nivoaka ny fiangonana
Nandalo dia niserana
Kanefa ireto zaza
Namelatra ny tanany
Tsy nisy zay nitserana

Fa tonga koa avy any
Zatovo maromaro
Mitondra mofomamy
Tsy nojereny akory
Reo tanana efa ngoly
Mangataka etsy ambany

D’injao mipitrapitra
Mitelin-drora fotsiny
Tsy misy iray mitsetra
F’ireo zay nangatahana
Tsy mahafoy akory
Fa hafahafa toetra

AORN
13 Janoary 2002
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
87 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 27/02/2024 21:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145