HAFATRA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry voro-manidina irony
Avia hanafarako kely
Nareo afa-miakatra ambony
Hifandray tendro amy Neny

Dia mba ilazao Neny izay
Tsy hoe manadino aho akory
Fa lavitra no misy ahy
Manembona sady oriory

Tsy mora hono hoe ny mitady
Fa sarotra vao mba mahita
Ny tenako mbola miady
Ny tanjona mba ho tafita

Mba lazalazao koa Ikaky
Hoe aza mandefa ahiahy
Fa efa mitombo malaky
Ny saiko sy ny ati-fanahy

Ambarambarao koa ry zandry
Fa zoky tsy handao velively
Ny saiko tsy hoe mandrimandry
Fa mila maharitra kely

AORN_15.01.2024
--------
Rohy:
Sokajy : Embona
172 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 19/04/2024 04:57)
Etoana ny fisaorana ho anao Ikalamako!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 15/01/2024 04:56
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147