HAMBOM-PON-DRAOLOMBELONA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manahoana moa 'ty tany mihotra izao tontolo izao ?Toy ny singa-pasi-drano ao anaty tora-pasika...
Raha ny fahalalan’ny olona, azoko lazaina anao
Mbola misy fetrany ihany fa tsy afa-midadasika
Na mikaroka toy inona, manoloana ity voary
Mbola bitika sy ampahany raha ny vokatra azo an-tanana
Te hananika ny avo, te hitsapa lay Nahary
Saingy mbola lavitr’ezaka raha ny misy sy ny ananana
Nisy ireo mpanapitrisa, no mampiasa vola maro
Amy seha-pikarohana... te handrefy an’Andriamanitra
Ao mitady ny odi-fady hatao fanefitra fiaro
Ao 'reo te hamari-drefy ny habakabaky ny lanitra
Misy koa reo te handalina ny hery hafa tsy hita maso
Dia mampiasa ireo fitaovana hiantso avelo sy fanahy
Avondrona eo ny rano sy hazo, sy ireo karazan-tsaramaso
Fa ho avy reo Mpanjaka sy karazan-Dadilahy
Nefa indrisy fa voafetra ny fahalalan-draolombelona
Tsy hahatakatra rahoviana izay tena misy sy ny Marina
Na ny fiandohan’ny tany, na ireo voary izay miselona
Mipetraka ho mistery, izay tsy ho takatra fantarina
AORN
11 FEBROARY 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
FIKAROHANA
Mpakafy:
rina15