HATANORANA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hatanoràna razandriko zany
Dia tontolo kanto hisitràhana tsara
Fa eo no mitobaka sy sesilany
Ny aingam-pitia sy ny fo taratara

Ny hatanoràna kanefa mazàna
Mandringotra saina hampanao zay voarara
Etoana sendaotra ny fo tsy voatàna
Ka tojo hakiviana vao vaka barara

Ny hatanoràna rehefa sedraina
Dia azo fehezin’ny saina sy fo
Tsy mampitomany na mapitaraina
Satria ny hahatafita no atao ao an-doha

Ka raiso am-pitiavana ny hatanoràna
Mahaiza misaina mialoha ny hirosoana
Ny hafa tsy ho faly dia avela hikodàna
Fa alamina tsara tsy hirotorotoana

AORN
30 Septambra 2000
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana - Fiainana
135 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 01/03/2024 14:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.044