HAVANA RAHA MISY PATSA (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsahin-dranomaso ty foko tomanyRarafan'ny eriky ny hakiviana
fanahy torotoro toa raraka an-tany
dia saina efa vaka toa lavitra tiana
Ny ankaso manemitra mahazo laka
Dia manatorovana ny aiko efa sina
'reo nenina an-kilany mandatsalatsa
tsy misy andaharana k'aleo mangina
Ny androko maizi-marain-tsy hariva
toa lanitra mainty no hitan'ny maso
Ny fanantenana toa iva dia iva
Fa fefik'atsanga tsy ilaozan'ankaso
Fa eto vao tsapa no sady tsaroana
Fa "havana raha misy patsa" no maro
Solafaka ianao dia vao maika lotoina
Ka dia singan-drery tsy misy mpiaro
AORN
06 DESAMBRA 2017
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Mpakafy:
rina15