HERIN'NY FITIA (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy hery tsy hay tohaina fa manintona avy hatrany
Ka mambabo izany saiko tsy hikaroka sy handalina
Dia manaiky miaraka aminy tsy mba misy mpanontany
Zany foko resy lahatra toa voadona fanimpanina

Na mametraka arofanina aza izato kirin-tsaiko
Ka mikaroka paik’ady mba hijoro tsy hay folahana
Vao seranan’ilay hery dia milefitra toa tsy haiko
Ka mirodana amy tany fa tsy azo notohanana

Io lay herin’ny fitia, toa tsy tana fa mahery
Tsy hay fefena sy sakanana amy mety ho kirin-doha
Reo milaza ho mafy hatoka rehefa tratrany malemy
Ka milefitra tsy miady, fa manaiky hatramy fo

AORN
02 APRILY 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
580 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 14/07/2025 08:28)
mankasitraka indray Ikalamako a!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 02/04/2024 19:10
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0138