HERY HAFAHAFA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Be ny masaka ao an-tsaina
Sady vonon-ko lazaina
Rehefa hihaona an-kamamiana
Hiaraka amin’olon-tiana

Fa re(he)fa tena manoloana
‘Zato vavako toa moana
Ankona tsy sahy miteny
Vao banjininao ombieny

Misy hery hafahafa
Tsy ahafahako mitafa
Zay voalahatra ao an-doha
Fa hoe ambarako amy fo

Zany angamba lay mitia
Rehefa tena mankafy
Voaloa(ha)m-pitiavana santarina
Tsy ao an-tsaina, tsy azo amboarina

AORN
04 Mey 2018
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
80 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152