HIADY HO ANAO RY TANINDRAZAKO (AORN)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa mbola hanoratra ny tanako
Fa mbola hiteny izato vavako
Hitaky anao ry Fahafahana
Raha mbola misy Fanjanahana
Mianjady amy Tanindrazako
Izay hilevenan’ny taranako.

Fa mbola hikiry koa ny sandriko
Na be na kely sisa androko
Hitaky anao ry Fahendrena
Fa be ny tsindry hazolena
Efa an-taona maromaro
Nifanesy sy nandalo

Fa mbola hiketrika ny saiko
Fa mbola hikely izato aiko
Hitaky anao ry Fahamarinana
Fa mbola tsy hita izay mangirana
Hataon’ny manam-pahefana
Fa anjakany ny tanàna

Kanefa izao,
Toky no omeko anao
Ry tanindrazako malala,
Ry Malagasy tsy ankahala
Raha mbola velona ny tenako
Dia tsy hisy hanenenako
Izay adidy hiantsorohako
fa ny androm-pivelomako
Homeko anao sy hitolomako

Ny fahafahana takiako
Ny fahendrena koa iadiako
Ny fahamarinana hikipiko
Ho an’ny Malagasy tiako
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1410 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : megamix
Daty : 13/06/2013 19:19
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01