You are here: home > Vetso

HIVERINA AMINAO - AORN

Azo vakiana?

Ifonako Aminao ry Ray ity toetra sy kilemako
Fa nanjavozavo loatra izato lalana nalehako
Mbetika toa mahatsiaro, mbetika toa manadino
Rehefa tojon’ny ankaso; nefa hoe mba tena mpino

Rehefa tojo hafaliana, ka miramirana ny fo
Tsy mahatsiaro Anao ny saina fa te hampiasa ny ao an-doha
Dia falifaly miramirana, ary nihevi-tena ho mazana
Nefa tsy hay f’Ianao Nahary no efa nialoha ny sakana

Fa raha tojo halahelo sy tomany indraindray
Tsy ao an-tsaina velively ny hiantoraka amy  Ray
Dia hakiviana tsy omby tratra fa mahatsiaro ho tsisy namana
Nefa ilay Mpamonjy soa no efa manatsotra tanana

Ifonako Aminao ry Ray ireo ratsy vitako hatrizay
Rano raraka izy ireny saingy Ianao no mampahatsiahy
Fa raha miaky ny hadisoany ireo mpanota ka mibebaka
Hiaino ny tarainany Aho fa tsy ho kivy na ho ketraka

Fo vaovao no indro hatolotro ho Anao ry Jesoa Tia
Fo ho rakotra Fitiavana fa tsy loto sanatria
Fa ny rà nalatsakao, nandio sy nanasitrana ahy
Ka ilay Tananao mahery no hambomba sy hiahy

Sokajy : Vavaka