HO AN'NY TANINDRAZANA!!! (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa tratra angaha ny tanjona?
No toa variana miady
Tsafain’ireo mpandalo?
Sa isika samy isika
Natao mba hifanavotra
No diso fahavalo?

Fa very angaha ‘lay dina
Nampiavaka ny tena
No toa manaiky ho babo?
Sa anjakan-dravola
ka gasy samy gasy
No hifampitora-bato?

Fa azo angaha ireo tany
Bodoin’ireo vahiny
No mifanasa vangy?
Sa misy ambadika any
Tsikombakombam-paika
Ka lasa sarin’ady?

Fa inonao ny hery
Raha toa ka tsy ampiasaina
Ho an’ny firenena?
Sa ny eto indray no faizina
Fa ny an’ireo vahiny
No avela hamehy ny tena?

Fa aiza moa ireo olona
Mba nantenain-kanirina
No nampivandravandra ?
Sa seho ivelany ihany
Ilay hiaro izato taniny
fa fotaka sy atsanga ?

Fa firifiry moa
Reo olona milaza
Fa tena resy lahatra ?
Hamerina ny hasina
Ilay maha-malagasy
Fa hay namahan-dalitra ?

Na firy tamintsika
No sahy nilokaloka
Fa hiala fizogana ?
Hay nifandray an-tendro
Tam’ireo mpanjanaka
Ka lasana tsy tana ?

Fa foana angaha ny ady
Amy fahantrana
No odianao tsy atrehina?
Sa misy teti-dratsy
Mba hanangonam-bola
Ka dia afenipenina?

Avelanao ho an’iza
Ilay fibabena trosa
Tsy toko tsy forohana?
Sa ho an’izay taranaka
Handimby anao am-para
No hitady vahaolana?

E!!! very ianao ry Taniko…
Fa dia nahoana loatra
No tsy mba afa-miarina?
Sa ny olona ao mihitsy
No ratsy fitondrana
Ka tsy manao ny marina?

Zovy no hitsangana
Iza no ho sahy?
Mba ambarao tsy an-tery?
Hamerina indray
Ilay ambom-po natory
Hitambatra ho hery ?

F’Ianao ‘zay resy lahatra…
Sahia ka mijoroa
Ianao no sisa andrasana..
Tsy mila eboebo
fa tena hiasa marina
Ho an’ny Tanindrazana

13 MAI 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
650 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : Rina15
Daty : 03/09/2022 01:28
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144