HO MALAGASY MENDRIKA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nisy nigagàna ho mpiaro fahendrena tsy misy tasitasy
Dia isany amy zany, ka nampiaky volana ny Ntaolo Malagasy
Tantara nodimbiasana, miampy lova miafina no nampiasàny loha
Voasahana am’zany reo riba sy ny fomba amam-panao taloha

Fa tamy Ntaolo mantsy, naleony very vola, na ringana sy foana
F’ilay fihavanam-bato no tena nolalainy, tsy ravan’ny fotoana
Na fotsy ianao na zara, tsy nisy niavakavaka fa tokana ny lasy
Ny rà zay nikoriana, no fefy nampiray ny samy Malagasy

Ankehitriny kosa, moa loza sy atambo no ataon’ireto zanaka?
Ny Hasina sy ny haja fanolotra ny zoky no lavin’ny taranaka
Ny mari-panajàna tsy misy iray niverina, fa very sy voatsipaka
Fa aminy ny ambony, dia vola aman-karena, fa reny tsy mamitaka

Fa na ‘lay Sata aza, lay maha-malagasy, tsy fantany… tsy hainy
Raha ny an’ny hafa kosa, na tsy manahaka azy, kantoiny sy hajainy
Ny hiram-pirenana, ny vakoka mampiavaka, tsy manan-danja intsony
Fa voa hatrany anaty, fa ny hafa firenena, lolohavina ambony

Anjaranao no sisa, raha Mbola gasy ihany, no hanarina ny rava
Mijoro tsy mihamba, mamerina indray, ny an-tsoratra sy am-bava
I Madagasikara, zay miavaka amy maro, dia aza avela ho rendrika
Fa fahendrena lalina, lovaina sy ampitaina ny “ho Malagasy mendrika”

AORN
08 oktobra 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 01/03/2024 11:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0262